IV. Ny afobe

Laharana 1034 amin’ny Katesizy

Miteny matetika momba ny “gehen’afo tsy mety maty” i Jesoa[85], natokana ho an’ireo izay mandà hatramin’ny fara fiainan’izy ireo tsy hino sy tsy hibebaka, ary izay no mety hahavery ny fanahy sy ny vatana miaraka[86]. Tamin’ny teny henjana no nambaran’i Jesoa fa “haniraka ny anjeliny Izy, izay hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra (…), sy hanipy azy ireo ao amin’ny memy mirehitra” (Mt 13,41-42), ary hamoaka ny teny fanamelohany Izy hoe : “Mialà Amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay ! “(Mt 25,41).

Loharano ôfisialy ↗