II. Ny lanitra

Laharana 1029 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny voninahitry ny lanitra, manohy manatanteraka amin-kafaliana ny sitrapon’Andriamanitra ny olon-tsambatra, raha ampitahaina amin’ny olombelona hafa sy amin’ny zavaboary manontolo. Efa manjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo ; miaraka Aminy, “hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo” (Apôk 22,5)[76].

Loharano ôfisialy ↗