III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana
Laharana 1032 amin’ny Katesizy
Miankina koa amin’ny fanaovana vavaka ho an’ireo nodimandry izay efa nolazain’ny Soratra Masina, izany fampianarana izany : “Izany no nanaovany (i Jodasa Makabeo) an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo” (2 Mak 12,46). Hatrany am-boalohany ny Fiangonana no nanaja ny fahatsiarovana ireo nodimandry sy nanolotra vavaka ho azy ireo, indrindra ny soron’ny Eokaristia[81], mba ho afaka ho tonga amin’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, rahefa voadio. Ny Fiangonana dia manafatrafatra koa amin’ny fiantrana, ny endolzansy ary ny tsanganasa fivalozana ho an’ireo nodimandry :
Mitondrà isika vonjy ho azy ireo ary manaova isika fahatsiarovana azy ireo mandritra ny fivavahana. Raha ny zanak’i Jôba aza voadion’ny sorona nataon-drainy[82], koa aza misalasala isika fa ny fanatitsika ho an’ireo nodimandry dia mitondra fiononana ho azy ireo ? Aza mihambahamba isika mitondra vonjy ho an’ireo izay nialoha lalana sy manolotra ny fivavahantsika ho azy ireo[83].