Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 641 Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona I Maria Madelenina sy ireo vehivavy masina, izay tonga hamita ny fanosorana zava-manitra ny vatan’i Jesoa [538] nalevina maimaika noho ny fahatongavan’ny Sabata ny harivan’ny Zomà Masina [539] , no voalohany nihaona …
  2. 642 Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona Izay rehetra niseho tamin’ny tontolo andron’ny Paka, dia mampiditra ny tsirairay amin’ny apôstôly – singanina manokana i Piera - amin’ny fanorenana ny fotoam-baovao izay nanomboka ny marainan’ny Paka. Noho izy ireo vavolombelon’ilay …
  3. 643 Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona Manoloana an’ireo filazan’ny vavolombelona ireo, dia tsy mety ho vita ny manazava ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ivelan’ny zavatra ara-batana, sy ny tsy manaiky izany ho zava-niseho marina ara-tantara. Izany antony izany …
  4. 644 Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona Na teo anatrehan’ny fisiana tena izy an’i Jesoa nitsangan-ko velona aza, dia mbola azon’ny fisalasalana ihany ireo mpianatra [549] , satria ny zavatra toy izany ho azy ireo dia toa tsy mety …
  5. 645 Ny toetran’ny maha-olombelona nitsangan-ko velona an’i Kristy Nampiseho fifandraisana mivantana tamin’ireo mpianany, tamin’ny alalan’ ny fitsapana amin’ny tanana [552] sy ny fiaraha-misakafo [553] i Jesoa nitsangan-ko velona. Tamin’izany no nanasany azy ireo mba hiaiky fa tsy matoatoa Izy [554] …
  6. 646 Ny toetran’ny maha-olombelona nitsangan-ko velona an’i Kristy Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia tsy hoe fiverenana indray amin’ny fiainana eto an-tany, tahaka an’ireo fananganan-ko velona notanterahiny talohan’ny Paka : ny zanakavavin’i Zaïra, ilay zatovolahy tao Naïma, i Lazara. Ireo …
  7. 647 Zava-niseho mihoatra ny tsapa sy ny hita, ny Fitsanganan-ko velona “Ô Ry alina !, hoy ny Hira fihobiana (“Exultet”) ny Paka, ianao irery no afaka mahalala ny fotoana izay nivoahan’i Kristy velona avy tao amin’ny fonenan’ny maty” [561] . Satria, tsy nisy …
  8. 648 II. Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia votoatim-pinoana noho izy fidiran’ ny Tenan’Izy Andriamanitra amin’ny fomba mihoatra ny tsapa sy ny hita eo amin’ny fahariana sy eo amin’ny tantara. Ao amin’izany, ireo Olona …
  9. 649 II. Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina Raha ny amin’ny Zanaka, Izy ihany no nanatanteraka ny Fitsanganany ho velona noho ny herin’Andriamanitra ananany. Nilaza i Jesoa fa ny Zanak’ olona dia tsy maintsy hijaly mafy, hovonoina ho faty, fa …
  10. 650 II. Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina Ny Aban’ny Fiangonana dia mibanjina ny Fitsanganan-ko velona miainga avy amin’ny maha-Olona-Andriamanitra an’i Kristy izay mbola mijanona miray amin’ny fanahiny sy amin’ny vatany nosarahin’ny fahafatesana : “Amin’ny firaisan’ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra izay …
  11. 651 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona “Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo” (1 Kôr 15,14). Ny Fitsanganan-ko velona, alohan’ny zavatra rehetra, no anisan’ny fanamarinana izay rehetra nataon’ny Tenan’Izy Kristy …
  12. 652 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia fahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ny Testamenta Taloha [566] sy avy amin’i Jesoa rahateo ihany nandritra ny fiainany teto an-tany [567] . Ny fomba fiteny hoe “araka ny …
  13. 653 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona Ny fahamarinan’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa no hamafisin’ny Fitsanganany ho velona. Hoy Izy : “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho Ilay Misy” (Jo 8,28). Ny Fitsanganan-ko velon’ ilay Nofantsihana teo …
  14. 654 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona Misy endrika roa sosona ny misterin’ny Pakan’i Jesoa : tamin’ny alalan’ny fahafatesany Izy no manafaka antsika amin’ny fahotana, ary tamin’ny alalan’ny Fitsanganany ho velona Izy no manokatra ho antsika ny fidirana ho …
  15. 655 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona Farany, ny Fitsanganan’i Kristy ho velona – sy i Kristy nitsangan-ko velona mihitsy – no fototra sy loharanon’ny fananganana antsika ho velona rahatrizay : “ Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty tokoa i …
  16. 656 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona Ny finoana ny Fitsanganan-ko velona dia mifototra amin’ny zava-niseho izay sady ara-tantara nohamarinin’ny mpianatra noho izy ireo tena nihaona tokoa tamin’ilay Nitsangan-ko velona, no mifono mistery mihoatra ny tsapa sy ny hita, …
  17. 657 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona Nampahafantarin’ny fasana foana sy ny lamba nipetraka teo, fa afaka tamin’ny fatoran’ny fahafatesana sy ny fahalòvana ny vatan’i Kristy, noho ny herin’Andriamanitra. Ireo no nanomana ny mpianatra amin’ny fihaonana amin’ilay Nitsangan-ko velona.
  18. 658 III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona I Kristy, “ voalohan-teraka tamin’ny maty ” (Kôl 1,18), no fototra iorenan’ny fitsanganantsika ho velona, manomboka izao, amin’ny fanamarinana ny fanahintsika [574] , ary any aoriana any, amin’ny famelomana ny vatantsika [575] …
  19. 659 “ Niakatra any an-danitra i Jesoa , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra” “Ary rahefa avy niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan ’ Andriamanitra” (Mk 16,19). Efa nomem-boninahitra avy hatrany ny Vatan’i Kristy, tamin’ny fotoanan’ny Fitsanganany ho …
  20. 660 “ Niakatra any an-danitra i Jesoa , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra” Ny voninahitr’ilay Nitsangan-ko velona mbola takona nandritra io fotoana io, dia taratra tamin’ny teniny mifono mistery tamin’i Maria-Madelenina hoe: “Mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehàna mankany amin’ny rahalahiko, ka …