II. Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina

Laharana 650 amin’ny Katesizy

Ny Aban’ny Fiangonana dia mibanjina ny Fitsanganan-ko velona miainga avy amin’ny maha-Olona-Andriamanitra an’i Kristy izay mbola mijanona miray amin’ny fanahiny sy amin’ny vatany nosarahin’ny fahafatesana : “Amin’ny firaisan’ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra izay maharitra misy ao amin’ny fanahy amam-batana maha-olombelona, ireo no mikambana indray. Araka izany, ny fahafatesana dia miseho amin’ny alalan’ny fisarahan’ ny vatana sy ny fanahy maha-olombelona, ary ny Fitsanganan-ko velona dia avy amin’ny firaisan’ireo zavatra roa tafasaraka ireo”[565].

Loharano ôfisialy ↗