Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona
Laharana 642 amin’ny Katesizy
Izay rehetra niseho tamin’ny tontolo andron’ny Paka, dia mampiditra ny tsirairay amin’ny apôstôly – singanina manokana i Piera - amin’ny fanorenana ny fotoam-baovao izay nanomboka ny marainan’ny Paka. Noho izy ireo vavolombelon’ilay Nitsangan-ko velona, dia nitoetra ho vato fototra iorenan’ny Fiangonany izy ireo. Ny finoan’ireo ankohonam-piangonan’ny mpino voalohany dia miorina amin’ny filazan’ireo olona vavolombelona nahita maso, fantatry ny kristianina, ary ny ankamaroany dia mbola velona teo anivon’izy ireo. Amin’ireo “vavolombelon’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ireo”[544] , i Piera no voalohany, ary ireo Roa ambin’ny folo lahy, kanefa tsy izy ireo ihany : i Paoly dia niteny mazava fa olona mihoatra ny dimanjato no indray nisehoan’i Jesoa, ankoatra an’i Jakôba sy ny apôstôly rehetra[545].