III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona
Laharana 652 amin’ny Katesizy
Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia fahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ny Testamenta Taloha[566] sy avy amin’i Jesoa rahateo ihany nandritra ny fiainany teto an-tany[567]. Ny fomba fiteny hoe “araka ny Soratra Masina”[568] dia ilazana fa ny Fitsanganan’i Kristy ho velona no manatanteraka an’ireny faminaniana ireny.