III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona

Laharana 654 amin’ny Katesizy

Misy endrika roa sosona ny misterin’ny Pakan’i Jesoa : tamin’ny alalan’ny fahafatesany Izy no manafaka antsika amin’ny fahotana, ary tamin’ny alalan’ny Fitsanganany ho velona Izy no manokatra ho antsika ny fidirana ho amin’ny fiainam-baovao. Io fitsanganan-ko velona io aloha no  fanamarinana izay mamerina antsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra[570] “mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, no hahavelomantsika amin’ny fiainam-baovao koa” (Rôm 6,4). Io no fototry ny fandresena ny fahafatesana vokatry ny fahotana sy amin’ny fandraisana anjara indray amin’ny fahasoavana[571]. Io no manatanteraka ny fananganan-janaka, satria manjary rahalahin’i Kristy ny olombelona rehetra, araka ny iantsoan’ny Tenan’Izy Jesoa ny mpianany taorian’ny Fitsanganany ho velona hoe : “Mandehana milaza amin’ny rahalahiko” (Mt 28,10)[572]. Rahalahy tsy hoe noho ny maha-mpiray kibo tsy akory, fa noho ny fanomezam-pahasoavana, satria izany fananganan-janaka izany no mahatonga ny fandraisana anjara marina amin’ ny fiainan’ny Zanaka Lahitokana, izay voaseho miharihary manontolo tamin’ ny Fitsanganany ho velona.

Loharano ôfisialy ↗