Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona

Laharana 641 amin’ny Katesizy

I Maria Madelenina sy ireo vehivavy masina, izay tonga hamita ny fanosorana zava-manitra ny vatan’i Jesoa[538] nalevina maimaika noho ny fahatongavan’ny Sabata ny harivan’ny Zomà Masina[539], no voalohany nihaona tamin’ilay Nitsangan-ko velona[540]. Araka izany, ny vehivavy no voalohany mpampita ny hafatry ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ho an’ny tenan’ireo apôstôly[541]. Nanaraka izany, niseho tamin’izy ireo i Jesoa, ka i Piera aloha, avy eo ny Roa ambin’ny folo lahy[542]. I Piera, voantso hanamafy ny finoan’ny rahalahiny[543] àry, no nahita talohan’izy ireo an’ilay Nitsangan-ko velona, ary tamin’ny fijoroany vavolombelona no nahatonga ny ankohonan’ny mpianatra niantsoantso hoe : “Efa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy” (Lk 24,34).

Loharano ôfisialy ↗