II. Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina

Laharana 649 amin’ny Katesizy

Raha ny amin’ny Zanaka, Izy ihany no nanatanteraka ny Fitsanganany ho velona noho ny herin’Andriamanitra ananany. Nilaza i Jesoa fa ny Zanak’ olona dia tsy maintsy hijaly mafy, hovonoina ho faty, fa hitsangan-ko velona indray (araka ny hevi-teny manao ny asa[564]). Any an-kafa, nilaza marina mazava Izy : “Mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. (…) Manam-pahefana hahafoy azy Aho ary manam-pahefana handray azy indray” (Jo 10,17-18). “Mino isika (…) fa i Jesoa dia maty, avy eo nitsangan-ko velona” (1 Tes 4,14).

Loharano ôfisialy ↗