Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona

Laharana 644 amin’ny Katesizy

Na teo anatrehan’ny fisiana tena izy an’i Jesoa nitsangan-ko velona aza, dia mbola azon’ny fisalasalana ihany ireo mpianatra[549], satria ny zavatra toy izany ho azy ireo dia toa tsy mety ho tanteraka : noheverin’izy ireo fa matoatoa no hitany[550]. “Tao anatin’ny hafaliany izy ireo dia mbola tsy nino ihany, fa talanjona fotsiny” (Lk 24,41) I Tomà dia hahafantatra an’izany fitsapam-pisalasalana izany koa[551], ary tamin’ny fisehoana farany tany Galilea tantarain’i Matio, “ny sasany mbola nisalasala ihany” (Mt 28,17). Izany no nahatonga ny vinavinan-kevitra hoe ny Fitsanganan-ko velona izay “vokatry” ny finoan’ (na ny finoanoan’) ny apôstôly dia tsy marim-pototra. Tsy izany mihitsy anefa, fa ny finoan’izy ireo ny Fitsanganan-ko velona dia teraka  - teo ambany asan’ny fahasoavan’Andriamanitra - avy amin’ny fahalalana azo tamim-pahazarana mivantana ny tena fisian’i Jesoa nitsangan-ko velona tokoa.

Loharano ôfisialy ↗