Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1666 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Ny tokantrano kristianina no toerana andraisan’ny zanaka ny fanambaràna voalohany ny finoana. Izany no antony iantsoana marina ny tranom-pianakaviana hoe “ Fiangonana ao an-tokantrano ” , ankohonam-pahasoavana amam-bavaka, sekolin’ny hatsaram-panahy maha-olona sy …
  2. 1667 Ny sakramentaly “Ny Fiangonana Reny Masina dia nanorina ny sakramentaly, izay famantarana masina manahatahaka ny sakramenta ihany, ka ny vokany, indrindra ny ara-panahy, no ambarany, ary azo amin’ny vavaky ny Fiangonana. Mandrisika ny olona …
  3. 1668 Ireo soritsori-toetra mampiavaka ny sakramentaly Naorin’ny Fiangonana izy ireny mba ho fanamasinana ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana, ny lalam-piainana sasantsasany, ny toe-java-miseho maro karazana tokoa eo amin’ny fiainana kristianina, ary koa ny fampiasana ny zavatra mahasoa …
  4. 1669 Ireo soritsori-toetra mampiavaka ny sakramentaly Miankina amin’ny fisoronana avy amin’ny Batemy izany : ny vita batemy rehetra dia antsoina ho “fanasoavana” [2] sy hanasoa [3] . Izany no antony hahazoan’ny lahika misahana ny tsodrano sasantsasany [4] ; …
  5. 1670 Ireo soritsori-toetra mampiavaka ny sakramentaly Tsy manome ny fahasoavan’ny Fanahy Masina araka ny fomban’ny sakramenta ny sakramentaly, nefa amin’ny alalan’ny vavaky ny Fiangonana no anomanan’izy ireny handray ny fahasoavana sy andrisihany hifarimbona amin’izany. “Amin’ny mpino voaomana tsara, …
  6. 1671 Ny endrika samihafa amin’ny sakramentaly Anisan’ny mampiseho voalohany indrindra ireo endriky ny sakramentaly ny tsodrano (ny olona, ny sakafo, ny zavatra, ny toerana). Ny tsodrano rehetra dia fiderana an’Andriamanitra sy fivavahana mba hahazoana ny fanomezany. Ao amin’i …
  7. 1672 Ny endrika samihafa amin’ny sakramentaly Misy manan-kery maharitra ny tsodrano sasantsasany : ny vokany dia ny manamasina ny olona ho an’Andriamanitra sy ny manokana ny zavatra sy ny toerana ho ampiasana amin’ny litorzia. Anisany amin’ireo izay natokana …
  8. 1673 Ny endrika samihafa amin’ny sakramentaly Rahefa mangataka ampahibemaso sy amim-pahefana ny Fiangonana, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, mba ho voaro ny olona na ny zavatra, tsy ho eo ambany fahefan’ilay Ratsy sy ho voaesotra ao amin’ny fanjakany, dia fandroahana …
  9. 1674 Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ivelan’ny litorzia ara-tsakramenta sy ny sakramentaly, ny katesezy dia tokony hihevitra ny endriky ny fitiavam-bavaky ny mpino sy ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ny hevitra ara-pivavahan’ny vahoaka kristianina, hatrizay hatrizay, dia nahita ny fanehoany amin’ny …
  10. 1675 Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ireny fanehoana ireny dia manohy ny fiainana ara-litorzian’ny Fiangonana, fa tsy misolo azy : “Tsy maintsy hahitsy [ireny] amin’ny fandraisana hevitra avy amin’ ny taona litorzika sy harindra amin’ny litorzia, mba hanohizana …
  11. 1676 Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ilaina ny fandanjalanjana ara-pastôraly mba hanamafisana sy hanohanana ny hetsipom-pivavaham-bahoaka sy, raha toa ka miseho izany, mba hanadiovana sy hanitsiana ny hevitra ara-pivavahana izay manokatra an’ ireny fitiavam-bavaka ireny ary mba hampandrosoana …
  12. 1677 Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ny antsoina hoe sakramentaly dia ireo famantarana masina naorin’ny Fiangonana, ka ny kendreny amin’izany dia ny mba hanomana ny olona handray ny vokatry ny sakramenta sy hanamasinana ny toe-javatra miseho samihafa eo …
  13. 1678 Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ny tsodrano no mitana toerana lehibe amin’ireo sakramentaly. Sady mirakitra fiderana an’Andriamanitra noho ny tsanganasany sy ny fanomezany ireny, no mitondra ny fitalahoan’ny Fiangonana, mba hahafahan’ny olona mampiasa ny fanomezan’Andriamanitra araka ny …
  14. 1679 Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ankoatra ny litorzia, ny fiainana kristianina dia mivelona amin’ny fomba maro karazana amin’ny fanehoam-pitiavam-bavaky ny vahoaka, latsa-paka ao amin’ny kolontsaina samihafa. Sady miezaka hanazava ireny amin’ny fahazavan’ny finoana ny Fiangonana, no mampandroso …
  15. 1680 Ny fandevenana kristianina Ny sakramenta rehetra, voalohany indrindra ny an’ireo firosoana ho kristianina, dia mikendry ny Paka faran’ny zanak’Andriamanitra, ilay Paka izay mampiditra azy, amin’ny alalan’ny fahafatesana, ao amin’ny Fiainan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izany no tontosa …
  16. 1681 I.Ny Paka faran’ny kristianina Ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana dia voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan ’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona, izay iorenan’ny hany fanantenantsika. Ny kristianina izay maty ao amin’i Kristy …
  17. 1682 I.Ny Paka faran’ny kristianina Ny andron’ny fahafatesana no misantatra ho an’ny kristianina, amin’ny faran’ny fiainany ara-tsakramenta , ny fahatanterahan’ny fahateraham-baovaony natomboka tamin’ny Batemy, ny “fitoviana” tsy miova intsony amin’ny “endriky ny Zanaka” nomena tamin’ny fanosorana amin’ny …
  18. 1683 I.Ny Paka faran’ny kristianina Ny Fiangonana, amin’ny maha-Reny azy, izay nitondra ara-tsakramenta tao am-bohokany ny kristianina nandritra ny fivahiniany tety an-tany, dia mambomba azy eo am-pamaranana ny diany mba hametraka azy “eo am-pelatanan’ny Ray”. Atolony amin’ny …
  19. 1684 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Fankalazana iray ara-litorzian’ny Fiangonana ny fandevenana kristianina. Amin’ny alalany, ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana, amin’ity toe-javatra ity, dia sady mba hanehoana ny fiombonana bebe kokoa amin’ny maty , no hampandraisana anjara amin’izany ny mpiara-miangona …
  20. 1685 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny fombam-pivavahana fandevenana samihafa dia maneho ny toetra manokana momba ny Pakan’ ny fahafatesana kristianina sy mamaly ny toe-piainana sy ny lovantsofin’ny faritra tsirairay, na dia izay mahakasika ny loko litorzika aza …