Ny fandevenana kristianina
Laharana 1680 amin’ny Katesizy
Ny sakramenta rehetra, voalohany indrindra ny an’ireo firosoana ho kristianina, dia mikendry ny Paka faran’ny zanak’Andriamanitra, ilay Paka izay mampiditra azy, amin’ny alalan’ny fahafatesana, ao amin’ny Fiainan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izany no tontosa izay nambarany tamim-pinoana sy tamim-panantenana hoe : “Izaho miandry ny Fitsanganan’ny maty ho velona sy ny Fiainan-ko avy”[14].