Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka.
Laharana 1676 amin’ny Katesizy
Ilaina ny fandanjalanjana ara-pastôraly mba hanamafisana sy hanohanana ny hetsipom-pivavaham-bahoaka sy, raha toa ka miseho izany, mba hanadiovana sy hanitsiana ny hevitra ara-pivavahana izay manokatra an’ ireny fitiavam-bavaka ireny ary mba hampandrosoana ny fahalalana ny misterin’i Kristy. Ny fampiasana azy ireny dia ankatoavina amin’ny fitandremana sy amin’ny fandanjalanjan’ny Eveka ary amin’ny fitsipika ankapoben’ny Fiangonana[12].
Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka, raha ny votoatiny, dia ny fitambaran’ny soatoavina izay mamaly, amin’ny fahendrena kristianina, ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Ny hevitra marim-pototry ny vahoaka katôlika dia mampahay mamintina ny amin’ny fiainana. Araka izany no mahatonga azy mampifanindran-dalana, amin’ny fomba mahay mamorona, ny momba an’ Andriamanitra sy ny momba ny olombelona, i Kristy sy i Maria, ny fanahy sy ny vatana, ny fiombonana sy ny fanorenana, ny isam-batan’olona sy ny ankohonana, ny finoana sy ny tanindrazana, ny fahaizana ara-tsaina sy ny fihetseham-po. Izany fahendrena izany no fampivelarana ny maha-olona kristianina izay manamafy tanteraka ny hasin’ny maha-izy manontolo ny maha-zanak’Andriamanitra, manorina fihavanana hatrany ifotony, mampianatra hihaona amin’ny zavaboary tahaka ny hahalalana ny asa, ary manoro hevitra hiaina ao anatin’ny hafaliana sy ny fiadanam-po, na dia eo anivon’ny hamafin’ ny fiainana aza. Izany fahendrena izany koa ho an’ny vahoaka no fototry ny fandanjalanjana, no tosi-kerim-panentana ao anaty avy amin’ny evanjely izay mahatonga azy hahatsapa fotsiny amin’izao hoe : rahoviana ny Evanjely no voalohany tompoina ao amin’ny Fiangonana, na rahoviana no voaesotra amin’ny votoatiny izy sy sempotry ny tombon-tsoa hafa[13].
FAMINTINANA