Ireo soritsori-toetra mampiavaka ny sakramentaly
Laharana 1669 amin’ny Katesizy
Miankina amin’ny fisoronana avy amin’ny Batemy izany : ny vita batemy rehetra dia antsoina ho “fanasoavana”[2] sy hanasoa[3]. Izany no antony hahazoan’ny lahika misahana ny tsodrano sasantsasany[4]; arakaraka ny iompanan’ny tsodrano bebe kokoa amin’ny fiainam-piangonana sy ara-tsakramenta no anokanana ny fisahanana azy ho an’ny mpandraharaha voahosotra (Eveka, Pretra na Diakra[5]).