Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka.

Laharana 1674 amin’ny Katesizy

Ivelan’ny litorzia ara-tsakramenta sy ny sakramentaly, ny katesezy dia tokony hihevitra ny endriky ny fitiavam-bavaky ny mpino sy ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ny hevitra ara-pivavahan’ny vahoaka kristianina, hatrizay hatrizay, dia nahita ny fanehoany amin’ny endrika samihafa amin’ny fitiavam-bavaka izay manamarika ny fiainana ara-tsakramentan’ ny Fiangonana, toy ny fanajana ny sisan-taolan’ny olomasina, ny famangiana ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ny fivahiniana masina, ny vavaka am-pandehanana, ny lalan’ny Hazofijaliana, ny dihy ara-pivavahana, ny raozery, ny meday[10], sns.

Loharano ôfisialy ↗