Ny endrika samihafa amin’ny sakramentaly
Laharana 1673 amin’ny Katesizy
Rahefa mangataka ampahibemaso sy amim-pahefana ny Fiangonana, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, mba ho voaro ny olona na ny zavatra, tsy ho eo ambany fahefan’ilay Ratsy sy ho voaesotra ao amin’ny fanjakany, dia fandroahana demony no ilazana izany. Nanatanteraka izany i Jesoa[7], ary avy Aminy no nahazoan’ny Fiangonana ny fahefana sy ny fiadidiana handroaka demony[8]. Ny fandroahana demony amin’ny fomba tsotra, dia tanterahina amin’ny fotoana fankalazana ny Batemy. Ny fandroahana demony amin’ny fomba manetriketrika antsoina hoe “fandroahana demony amin-kery”, dia tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ny alalan’ny Pretra ary miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Eveka. Tsy maintsy atao amim-pahamalinana izany, amin’ny fanatanterahana hentitra ny fitsipika naorin’ny Fiangonana[9]. Ny fandroahana demony dia mikendry ny hamoaka ny demony na hanafaka ny eo ambany fahefan’ny demony, ary izany dia amin’ny alalan’ny manam-pahefana ara-panahy izay nanankinan’i Jesoa ny Fiangonany. Tena hafa ny an’ny toe-javatra momba ny marary, indrindra ny marary saina, izay miankina amin’ny fahaizana ara-pitsaboana ny fikarakarana izany. Koa zava-dehibe àry ny maka antoka, alohan’ ny fankalazana atao amin’ny fandroahana demony, na ny fisian’ilay Ratsy tokoa no ao, fa tsy aretina.