I.Ny Paka faran’ny kristianina
Laharana 1683 amin’ny Katesizy
Ny Fiangonana, amin’ny maha-Reny azy, izay nitondra ara-tsakramenta tao am-bohokany ny kristianina nandritra ny fivahiniany tety an-tany, dia mambomba azy eo am-pamaranana ny diany mba hametraka azy “eo am-pelatanan’ny Ray”. Atolony amin’ny Ray, ao amin’i Kristy, ny zanaky ny fahasoavany, ary apetrany amin’ny tany, ao anatin’ny fanantenana, ny tsirin’ny vatana izay hitsangan-ko velona amim-boninahitra[16]. Izany fanolorana izany dia ankalazaina manontolo amin’ny alalan’ny Sorona Eokaristika ; ny fitsofan-drano izay mialoha sy manaraka dia sakramentaly.