Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1526 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina “ Misy marary ve eo aminareo ? Aoka izy hampiantso ireo Pretran’ny Fiangonana, ary aoka izy ireo no hivavaka eo aminy sy hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo. Ny vavaka amim-pinoana dia …
  2. 1527 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina Ny sakramenta Fanosorana ny marary dia nokendrena hanome fahasoavana manokana ny kristianina misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho ny fahanterana.
  3. 1528 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina Tonga tokoa ny fotoana tsara andraisan’ny mpino ny Fanosorana Masina, rahefa manomboka hita fa mandindona azy ny fahafatesana, noho ny aretina na noho ny fahanterana.
  4. 1529 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina Raha vao misy kristianina marary mafy, dia mahazo mandray ny Fanosorana Masina izy ; ary na efa nahazo aza izy, nefa mihombo ny aretina, dia mbola azo omena indray.
  5. 1530 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina Ny mpisorona irery ihany (Pretra sy Eveka) no mahazo manome ny sakramenta Fanosorana ny marary ; mba hanomezana izany, ny diloilo nohamasinin’ ny Eveka no ampiasain’izy ireo, na, raha ilaina, ny diloilo …
  6. 1531 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina Ny votoatin’ny fankalazana amin’ity sakramenta ity, dia ny fanosorana eo amin’ny handrina sy ny tanan’ny marary (amin’ny fombam-pivavahana rômanina) na eo amin’ny faritra hafa amin’ny vatana (any Atsinanana), fanosorana arahim-bavaka litorzika ataon’ny …
  7. 1532 V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina Toy izao ny vokatry ny fahasoavana manokana amin’ny sakramenta Fanosorana ny marary : - ny fiombonan’ny marary amin’ny fijalian’i Kristy, mba hahazoany soa ho an’ny tenany sy ho an’ny Fiangonana manontolo ; …
  8. 1533 Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana Ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia no sakramentan’ny firosoana ho kristianina. Ireo no manorina ny fiantsoana iombonan’ny mpianatr’i Kristy rehetra, fiantsoana ho amin’ny fahamasinana sy ho amin’ny fanirahana hitory ny Evanjely …
  9. 1534 Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana Ireo sakramenta anankiroa hafa, ny Filaharana sy ny Fanambadiana, dia nalahatra ho amin’ny famonjena ny hafa. Na manampy koa amin’ny famonjena ny tsirairay aza ireo, dia amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa no …
  10. 1535 Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana Amin’ireo sakramenta ireo, ireo izay efa nohamasinina tamin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana [1] ho amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra dia afaka mandray ny fanamasinana manokana. Ireo izay mandray ny sakramentan’ny Filaharana …
  11. 1536 Ny Sakramentan’ny Filaharana. Ny Filaharana dia sakramenta izay mahatonga ny fanirahana nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny hitohy ka ho ampiasaina ao amin’ny Fiangonana mandra-pahatongan’ny farandro : ny Filaharana izany no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-apôstôly. Misy ambaratonga telo …
  12. 1537 I.Nahoana no antsoina hoe Filaharana ity sakramenta ity ? Ny teny hoe Ordre ( Filaharana ), tamin’ny andron’ny rômanina fahiny, dia nanondroana ny sampan-draharaham-panjakana amin’ny lafiny sivily, indrindra ireo mpitondra fanjakana. Dia natao hoe ordinatio ( fanokanana ) ny teny ilazana …
  13. 1538 I.Nahoana no antsoina hoe Filaharana ity sakramenta ity ? Ny fampidirana ho mpikambana feno ao amin’ny iray amin’ireo vondron’ olon’ny Fiangonana ireo dia natao tamin’ny fombam-pivavahana nantsoina hoe ordinatio , asa ara-pivavahana sy ara-litorzia, izay fanamasinana, fitsofan-drano na sakramenta. Ankehitriny ny …
  14. 1539 Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Natsangan’Andriamanitra ho “fanjaka-mpisorona sy firenena masina” (Eks 19,6) [6] ny vahoaka voafidy. Kanefa tao anatin’ny vahoaka Israely, dia nifidy foko iray amin’ireo foko roa ambin’ny folo Andriamanitra, dia ny fokon’i Levì izany, …
  15. 1540 Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Naorina io fisoronana io, mba hitoriana ny Tenin’Andriamanitra [11] sy mba hamerenana ny fiombonana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorona sy ny fivavahana, saingy tsy manan-kery hahazoana famonjena, hany ka mila famerimberenana tsy an-kijanona …
  16. 1541 Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Kanefa, hitan’ny litorzian’ny Fiangonana fa ny fisoronan’i Aarôna sy ny fanompoan’ny levita, tahaka izany koa ny fanorenana ny vondrona “Loholona” [13] fitopolo lahy, dia tandindona mampiseho ny andraiki-panompoana masina ao amin’ny Fanekem-pihavanana …
  17. 1542 Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Amin’ny fotoana fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra, mivavaka toy izao ny Fiangonana : Ry Tompo, Ray Masina ô, (…) efa tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, sy ho fanambaràna ny sakramenta ho avy, no nametrahanao …
  18. 1543 Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Ary amin’ny vavaka fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra, izao no ambaran’ny Fiangonana : Ry Ray Masina indrindra ô (…), ho fananganana an’izao tempoly vaovao izao (ny Fiangonana) no nanorenanao ny andraiki-panompoana amin’ny …
  19. 1544 Ny fisoronana tokan’i Kristy Tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa “mpanalalana tokana amin’Andria-manitra sy ny olombelona” (1 Tim 2,5) ny tandindona rehetra momba ny fisoronana teo amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. I Melkisedeka, “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra” (Jen 14,18), …
  20. 1545 Ny fisoronana tokan’i Kristy Tokana ny sorom-panavotan’i Kristy, notanterahina indray mandeha ihany. Kanefa, manjary eo io sorom-panavotana io amin’ny sorona Eokaristikan’ ny Fiangonana. Torak’izany koa amin’ny fisoronana tokan’i Kristy : manjary eo Izy amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha …