Ny fisoronana tokan’i Kristy

Laharana 1545 amin’ny Katesizy

Tokana ny sorom-panavotan’i Kristy, notanterahina indray mandeha ihany. Kanefa, manjary eo io sorom-panavotana io amin’ny sorona Eokaristikan’ ny Fiangonana. Torak’izany koa amin’ny fisoronana tokan’i Kristy : manjary eo Izy amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha  voahosotra, izay tsy mampihen-kasina ny maha-tokana ny fisoronan’i Kristy : “Koa i Kristy irery no hany tena mpisorona, ny hafa kosa dia mpandraharahany masina fotsiny”[17].

Loharano ôfisialy ↗