Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha

Laharana 1543 amin’ny Katesizy

Ary amin’ny vavaka fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra, izao no ambaran’ny Fiangonana :

Ry Ray Masina indrindra ô (…), ho fananganana an’izao tempoly vaovao izao (ny Fiangonana) no nanorenanao ny andraiki-panompoana  amin’ny filaharana telo samihafa, dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, izay nanomezanao azy ireo avy andraikitra hanompo Anao, toy ny nataonao fahiny tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, izay nanokananao ireo zanaky ny fokon’i Levì, mba hikarakara ny fonenanao, ary Ianao no lovan’izy ireo [16].

Loharano ôfisialy ↗