Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana
Laharana 1535 amin’ny Katesizy
Amin’ireo sakramenta ireo, ireo izay efa nohamasinina tamin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana[1] ho amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra dia afaka mandray ny fanamasinana manokana. Ireo izay mandray ny sakramentan’ny Filaharana dia nohamasinina, amin’ny anaran’i Kristy, “amin’ny alalan’ny teny sy ny fahasoavan’Andriamanitra mba ho mpitondra ny Fiangonana”[2]. Eo anilan’izy ireo, “ny mpivady kristianina, mba hanatontosa amim-pahamendrehana ny adidy amin’ny lalam-piainana arahin’izy ireo, dia nankaherezina sy nohamasinina tokoa amin’ny sakramenta manokana”[3].