V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina
Laharana 1532 amin’ny Katesizy
Toy izao ny vokatry ny fahasoavana manokana amin’ny sakramenta Fanosorana ny marary :
- ny fiombonan’ny marary amin’ny fijalian’i Kristy, mba hahazoany soa ho an’ny tenany sy ho an’ny Fiangonana manontolo ;
- ny fiononam-po, ny fiadanam-po ary ny herim-po mba hizakana amim-pomba kristianina ny fangirifiriana noho ny aretina na ny fahanterana ;
- ny famelana ny fahotana raha toa ka tsy afa-nandray izany tamin’ny sakramentan’ny Fivalozana ilay marary ;
- ny fiverenan’ny fahasalamana amin’ny laoniny, raha mifanaraka amin’ ny famonjena ara-panahy izany ;
- ny fanomanana ny fiampitana ho any amin’ny fiainana mandrakizay.