Fahariana
Laharana 60
- 322 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Taomin’i Kristy isika ho amin’ny fahatokian-janaka amin’ny fitahian’ ny Raintsika any an-danitra [176] , ary averin’i Md Piera apôstôly izany : “ Ankino Aminy ny tebitebinareo rehetra, fa Izy no miahy anareo …
- 323 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Miasa amin’ny asa amam-pihetsiky ny zavaboary koa ny fitahian’ Andriamanitra. Omen’Andriamanitra fahazoana miara-miasa an-kalalahana amin’ny fandaharany ny olombelona.
- 324 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Ny famelan’Andriamanitra hisian’ny haratsiam-batana sy ny haratsian-tsaina amam-panahy, dia mistery izay hazavainy amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy, Zanany, maty sy nitsangan-ko velona, mba handresy ny ratsy. Ny finoana no manome antsika ny fitokiana marina …
- 325 Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany Manambara ampahibemaso ny Sembolin’ny apôstôly fa Andriamanitra no “Mpahary ny lanitra sy ny tany” [178] , ary milaza mazava ny Sembolin’i Nicée-Constantinople fa : “… ny tontolon’ny zava-drehetra na ny hita maso …
- 326 Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany Ao amin’ny Soratra Masina, ny fomba fiteny hoe : “lanitra sy tany” dia midika hoe izay rehetra misy, ny voary manontolo. Enti-manondro ny fifandraisana ao anatin’ny voary izay sady mampikambana no mampiavaka …
- 327 Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany Ny fiekem-pinoan’i Kônsily fahefatra tao Latran dia manamafy fa Andriamanitra, “hatrany am-piandohan’ny fotoana, no nahary indray miaraka ny samy voary, avy amin’ny tsy misy, na ny voary ara-panahy na ny voary ara-batana, …
- 337 II. Ny tontolo hita maso Ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no nahary ny tontolo hita maso araka ny hareny manontolo, ny maha-samihafa azy ary ny filaminany. Asehon’ny Soratra an’ohatra ny tsanganasan’ny Mpahary ho toy ny fitohizan’ny andro …
- 338 II. Ny tontolo hita maso Tsy misy na inona na inona raha tsy Andriamanitra Mpahary no mampisy azy . Nanomboka izao tontolo izao rahefa navoakan’ny Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tsy misy ; ny zavatra rehetra misy, ny voary …
- 339 II. Ny tontolo hita maso Samy manana ny hatsarany sy ny fahalavorariany manokana avy ny voary isanisany . Ho an’ireo tsanganasa tsirairay noarìna tao anatin’ny “henemana”, dia voalaza hoe : “Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” “Amin’ny fahariana …
- 340 II. Ny tontolo hita maso Sitrak’Andriamanitra ny fifampiankinan’ny zavaboary . Ny masoandro sy ny volana, ny sedera sy ny voninkazo kely, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan’ny karazana sy ny tsy fitovian’izy ireo …
- 341 II. Ny tontolo hita maso Ny hatsaran’ny tontolon’ny zava-drehetra : Ny filaminana sy ny firindran’ ny tontolo noarìna dia vokatry ny faha-samihafa ny zavaboary sy ny fifandraisana misy amin’izy ireo samy izy ireo. Tsapan’ny olona miandalana amin’izany …
- 342 II. Ny tontolo hita maso Ny ambaratongan’ny zavaboary dia voambara araka ny filaharan’ny “andro enina”, izay miainga avy amin’ny kely fahalavorariana ary mipaka amin’ny be fahalavorariana. Tian’Andriamanitra ny zavaboariny rehetra [221] , ary karakarainy fatratra ny tsirairay, …
- 343 II. Ny tontolo hita maso Ny olombelona no tampony amin’ny tsanganasa fahariana. Ny tantara avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia mampiseho izany amin’ny fanavahana mazava tsara ny fahariana ny olombelona amin’ny an’ny zavaboary hafa rehetra [222] .
- 344 II. Ny tontolo hita maso Misy fifarimbonana eo amin’ny voary rehetra noho izy ireo manana Mpahary iray ihany, sy noho izy rehetra nalahatra ho amin’ny voninahiny : Ho deraina anie Ianao, ry Tompo, amin’ny voarinao rehetra indrindra …
- 345 II. Ny tontolo hita maso Ny Sabata – fahavitan’ny tsanganasa tanatin’ny “henemana” . Lazain’ny lahatsoratra masina fa “ vitan’Andriamanitra tamin’ny andro fahafito ny asa nataony” ary toy izany “no nahavitan’ny lanitra sy ny tany”, ka tamin’ny andro …
- 346 II. Ny tontolo hita maso Tamin’ny fahariana Andriamanitra dia nametraka fototra sy lalàna izay maharitra ho mafy orina [224] , ka eo ambonin’izany no hahafahan’ny mpino miankina amim-pitokiana, ary ho famantarana sy ho antoky ny fahamarinan’ ny …
- 347 II. Ny tontolo hita maso Novitaina mba ho amin’ny Sabata ny fahariana, ka noho izany ho amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitsaohana an’Andriamanitra. Voasoratra araka ny lalànan’ny fahariana [226] ny fanompoam-pivavahana. “Aoka tsy hisy na inona na inona …
- 348 II. Ny tontolo hita maso Votoatin’ny lalànan’i Israely ny Sabata. Ny mitandrina ny didy, dia tsy inona fa ny mifandray amin’ny fahendrena sy amin’ny sitrapon’Andriamanitra miseho amin’ny tsanganasa fahariany.
- 349 II. Ny tontolo hita maso Ny andro fahavalo . Fa ho antsika, andro iray vaovao no niposaka : ilay andro Nitsanganan’i Kristy ho velona. Ny andro fahafito no mamarana ny fahariana voalohany. Ny andro fahavalo no anombohan’ny …
- 350 II. Ny tontolo hita maso .Ny anjely dia zavaboary fanahy izay manome voninahitra an’Andriamanitra tsy an-kijanona, ary manatanteraka ny fandaharany amin’ny zavaboary hafa : “ Ny anjely dia mandray anjara amin’izay rehetra soa sy tsara ho antsika …
- 351 II. Ny tontolo hita maso Manotrona an’i Kristy Tompony ny anjely. Manampy Azy manokana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny fanirahana maha-mpamonjy ny olombelona Azy.
- 352 II. Ny tontolo hita maso Ny Fiangonana dia manaja ny anjely, izay manampy azy amin’ny fivahiniany ety an-tany, sy miaro ny olombelona rehetra.
- 353 II. Ny tontolo hita maso Sitrak’Andriamanitra ny maha-samihafa ny zavaboariny sy ny fahatsaran’izy ireo manokana avy, ny fifampiankinan’izy ireo sy ny filaminan’izy ireo. Natokany ho fanasoavana ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny zavaboary rehetra tsy manam-panahy. Ny …
- 354 II. Ny tontolo hita maso . Ny manaja ny lalàna voasoratra ao amin’ny fahariana sy ny fifandraisana izay avy amin'ny toetra voa-Janahary ny zavatra rehetra, no fiandoham-pahendrena sy fototry ny môraly.
- 2415 Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary Mitaky fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary ny didy fahafito. Ny biby, ary koa ny zavamaniry sy ny zavatra tsy mananaina, dia natokana araka ny toetra voa-Janahary ho an’ny soa iombonan’ny olombelona …
- 2416 Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary Zavaboarin’Andriamanitra ny biby . Arovany amin’ny fiahiam-pitondrany izy ireny [12] . Amin’ny alalan’ny fisian’izy ireny fotsiny, dia misaotra Azy sy manome voninahitra Azy izy ireny [13] . Koa, tokony halemy fanahy amin’izy …
- 2417 Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary Nankinin’Andriamanitra amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ilay izay nataony mitovy endrika Aminy ny biby [14] . Noho izany, ara-drariny ny ampiasana ny biby ho amin’ny fivelomana sy ny fanamboarana fitafiana. Mety ny mamolaka sy manatamana azy …
- 2418 Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary Mifanohitra amin’ny hasina maha-olona ny mampijaly tsy amin’antony ny biby sy ny mamonomono foana azy ireny. Toy izany koa, tsy mety ny mandany vola be amin’izy ireny, izay ny tokony hampiasana azy …
- 2456 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary amin’ny harena an-kibon’ny tany, harena avy amin’ny zavamaniry, harena avy amin’ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny fepetra ara-môraly, tafiditra amin’izany …
- 2457 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny biby dia nankinina amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ny olombelona, izay tokony haneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin’izy ireny. Afaka manampy amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny olombelona ny biby.