Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary
Laharana 2416 amin’ny Katesizy
Zavaboarin’Andriamanitra ny biby. Arovany amin’ny fiahiam-pitondrany izy ireny[12]. Amin’ny alalan’ny fisian’izy ireny fotsiny, dia misaotra Azy sy manome voninahitra Azy izy ireny[13]. Koa, tokony halemy fanahy amin’izy ireny ny olombelona. Ho tsaroana amin’izany ireo olomasina toa an’i Md François d’Assise na i Md Philippe de Néri nikarakara ny biby tamim-pitandremana fatratra.