Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2171 I. Ny andro sabata Nankinin’Andriamanitra tamin’i Israely ny sabata mba hotandremany amin’ny maha famantarana ny fanekem-pihavanana tsy azo ravana azy [82] . Natao ho an’ny Tompo ny sabata, natokana amim-pahamendrehana amin’ny fiderana an’Andriamanitra, amin’ny tsanganasan’ny fahariany …
  2. 2172 I. Ny andro sabata Ny asa amam-pihetsik’Andriamanitra no môdelin’ny asa amam-pihetsik’ olombelona. Raha “niala sasatra” Andriamanitra tamin’ny andro fahafito (Eks 31,17), dia tokony “tsy hiasa” koa ny olombelona sy hamela ny hafa, indrindra ny mahantra hiala …
  3. 2173 I. Ny andro sabata Ny Evanjely dia mitatitra zavatra maro tsy ampoizina izay niampangana an’i Jesoa ho mandika ny lalànan’ny sabata. Kanefa, na oviana na oviana, tsy banga tamin’ny fankamasinana io andro io i Jesoa [85] …
  4. 2174 Ny andron’ny Fitsanganan-ko velona : fahariana vaovao Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty i Jesoa, “ny andro voalohany amin’ny herinandro” (Mk 16,2) [88] . Amin’ny maha- “andro voalohany” azy, ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mampahatsiahy ny fahariana voalohany. …
  5. 2175 Ny alahady – fahatanterahan’ny sabata Ny alahady dia miavaka mazava tsara amin’ny sabata izay dimbiasany amin’ny ara-potoana, isan-kerinandro, ary ho an’ny kristianina, dia fanoloana ny didy momba ny fankalazana lanonana. Izy no nanatanteraka, ao amin’ny Pakan’i Kristy, …
  6. 2176 Ny alahady – fahatanterahan’ny sabata Ny fankalazana amin’ny andro alahady dia mitandrina ny didy ara-môraly nosoratan’ny Mpahary ao am-pon’ny olombelona “hanompo Azy amin’ny fomba miharihary, hita maso, ampahibemaso sy ara-potoana amin’ny famantarana ny soa ataony manenika an’izao …
  7. 2177 Ny Eokaristia amin’ny andro alahady Ny fankalazana ny maha-andron’ny Tompo ny Alahady sy ny Eokaristiany no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana. “Ny alahady izay ankalazana ny misterin’ny Paka, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia tsy maintsy tandremana ao amin’ny Fiangonana …
  8. 2178 Ny Eokaristia amin’ny andro alahady Izany fomban’ny kristianina miara-miangona izany dia nanomboka tamin’ ny fiandohan’ny vanin-potoanan’ny apôstôly [96] . Mampahatsiahy ny Taratasy ho an’ny Hebrio hoe : “Aza mandao ny fiarahantsika miangona toy ny fanaon’ny sasany tsy …
  9. 2179 Ny Eokaristia amin’ny andro alahady “Ny paroasy no ankohonam-piangonana voafaritra mazava ho an’ny mpino, izay narafitra hijoro amin’ny fomba mafy orina amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ka ny fiadidiana pastôraly dia nankinina amin’ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy, …
  10. 2180 Ny adidy amin’ny andro alahady Ny didin’ny Fiangonana dia mametra sy manoritra mazava ny Lalànan’ny Tompo : “Ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino” [101] . “Mahatanteraka …
  11. 2181 Ny adidy amin’ny andro alahady Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny alahady no manorina sy mampanan-kery izay rehetra ataon’ny kristianina. Izany no mahatonga ny mpino ho voatery handray anjara amin’ny Eokaristia amin’ny andro voadidy hohamasinina, raha tsy fahafahana …
  12. 2182 Ny adidy amin’ny andro alahady Ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana iombonana amin’ny Eokaristian’ny andro alahady no porofo ny maha-an’i Kristy sy ny maha-an’ny Fiangonany ny tenan’ny mpino, ary koa ny tsy fivadihana amin’Izy ireo. Amin’izany ny mpino …
  13. 2183 Ny adidy amin’ny andro alahady “Raha tsy azo tanterahina ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia, noho ny tsy fisian’ny mpandraharaha voahosotra, na noho ny antony lehibe hafa rehetra, dia hafatrafarana mafy tokoa ny mpino handray anjara …
  14. 2184 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Noho Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony, tamin’ny andro fahafito” (Jen 2,2), dia ny asa sy ny fialan-tsasatra no mifandimbindimby mandrindra ny fiainan’ny olombelona. Ny fanorenana ny Andron’ny Tompo no manampy mba …
  15. 2185 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Ny mpino, mandritra ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia hifady ny filozohana amin’ny asa aman-draharaha na amin’ny fihetsiketsehana izay manampontsampona ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao amin’Andriamanitra, ny hafaliana …
  16. 2186 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Aoka ny kristianina izay afaka miala voly mba hahatsiaro ny havana aman-tsakaizan’izy ireo izay manana izany filana sy zo izany koa, saingy tsy afaka miala sasatra noho ny fahantrana sy ny fahoriana. …
  17. 2187 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Mitaky ezaka iombonana ny fankamasinana ny alahady sy ny andro fety. Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo. …
  18. 2188 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Amin’ny fanajana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana sy ny soa iombonan’ny rehetra, dia tokony hampahafantarin’ireo kristianina ny maha-andro tsy fiasana ara-dalàna ny alahady sy ny andro fetin’ny Fiangonana. Hanome oha-piainana fakan-tahaka mibaribary ho an’ny …
  19. 2189 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa “ Mitandrema ny andro sabata mba hankamasina Azy ” (Det 5,12) . “ Ho andro fialan-tsasatra tanteraka ny andro fahafito, voatokana ho an’ny Tompo ” (Eks 31,15).
  20. 2190 Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa Ny sabata izay nanamarika ny fahavitan’ny fahariana voalohany dia nosoloana ny alahady izay mampahatsiaro ny fahariana vaovao, nosantarana tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.