I. Ny andro sabata

Laharana 2173 amin’ny Katesizy

Ny Evanjely dia mitatitra zavatra maro tsy ampoizina izay niampangana an’i Jesoa ho mandika ny lalànan’ny sabata. Kanefa, na oviana na oviana, tsy banga tamin’ny fankamasinana io andro io i Jesoa[85]. Izy no nanome izany tamim-pahefana ny fanazavana ny dikany marina : “Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata” (Mk 2,27). Tamim-pangorahana ny Tenany i Kristy no nanome fahefana tamin’ny andro sabata, hanao ny tsara fa tsy ny ratsy, hamonjy aina fa tsy hamono[86]. Andron’ny Tompon’ny famindram-po sy ny haja amam-boninahitr’ Andriamanitra ny sabata[87]. “Ny Zanak’olona no Tompon’ny sabata” (Mk 2,28).

Ity no andro nataon’ny Tompo, mifalia sy miravoravoa isika (Sal 118,24).

Loharano ôfisialy ↗