I. Ny andro sabata

Laharana 2172 amin’ny Katesizy

Ny asa amam-pihetsik’Andriamanitra no môdelin’ny asa amam-pihetsik’ olombelona. Raha “niala sasatra” Andriamanitra tamin’ny andro fahafito (Eks 31,17), dia tokony “tsy hiasa” koa ny olombelona sy hamela ny hafa, indrindra ny mahantra hiala sasatra[83]. Ny sabata no mampitsahatra ny asa andavanandro sy manome fialan-tsasatra. Andro fandavana mafy ny fanandevozan’ny asa sy ny fitiavam-bola tafahoatra ny sabata[84].

Loharano ôfisialy ↗