Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Laharana 2185 amin’ny Katesizy
Ny mpino, mandritra ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia hifady ny filozohana amin’ny asa aman-draharaha na amin’ny fihetsiketsehana izay manampontsampona ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny Andron’ny Tompo, ny fanaovana asa fiantrana ary ny fialam-boly antonona ny saina sy ny vatana[106]. Ny fahantran’ny fianakaviana na ny filana lehibe ara-tsôsialy dia mahatonga fialan-tsiny eken’ny lalàna eo anatrehan’ny didy momba ny fialan-tsasatra amin’ny andro alahady. Hitandrina ny mpino mba tsy hampiditra fahazarana manimba eo amin’ny fivavahana, eo amin’ny fiainam-pianakaviana ary eo amin’ny fahasalamana, ny fialan-tsiny eken’ ny lalàna.
Mikatsaka ny fialam-boly marina ny fitiavana ny fahamarinana, ary mandray ny asa araka ny rariny ny filan’ny fitiavana[107].