Ny adidy amin’ny andro alahady
Laharana 2183 amin’ny Katesizy
“Raha tsy azo tanterahina ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia, noho ny tsy fisian’ny mpandraharaha voahosotra, na noho ny antony lehibe hafa rehetra, dia hafatrafarana mafy tokoa ny mpino handray anjara amin’ny litorzian’ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny fiangonan’ny paroasy na amin’ny toerana masina hafa, raha misy izany fankalazana izany, araka ny fepetra noraisin’ny Eveka mitondra diôsezy, na koa mila milozoka amin’ny vavaka mandritra ny fotoana mety izy ireo, irery na miaraka amin’ny fianakaviana, na, araka ny fifanojoan-javatra, ao anatin’ny vondrom-pianakaviana”[104].