I. Ny andro sabata
Laharana 2171 amin’ny Katesizy
Nankinin’Andriamanitra tamin’i Israely ny sabata mba hotandremany amin’ny maha famantarana ny fanekem-pihavanana tsy azo ravana azy[82]. Natao ho an’ny Tompo ny sabata, natokana amim-pahamendrehana amin’ny fiderana an’Andriamanitra, amin’ny tsanganasan’ny fahariany ary amin’ny asam-pamonjeny ho tombon-tsoan’i Israely.