Ny Eokaristia amin’ny andro alahady

Laharana 2178 amin’ny Katesizy

Izany fomban’ny kristianina miara-miangona izany dia nanomboka tamin’ ny fiandohan’ny vanin-potoanan’ny apôstôly[96]. Mampahatsiahy ny Taratasy ho an’ny Hebrio hoe : “Aza mandao ny fiarahantsika miangona toy ny fanaon’ny sasany tsy manao izany ; fa mifamporisiha ianareo” (Heb 10,25).

Ny lovam-pampianarana dia mitahiry ny fahatsiarovana momba ny famporisihana tsy mbola miova mandraka ankehitriny : “Tonga mialoha ao am-Piangonana, manatona ny Tompo ary mibaboka ny fahotana nataon’ny tena, manenina amin’izany eo am-panaovana vavaka (...). Manatrika ny litorzia masina sady mahatalanjona, mamita ny fivavahan’ny tena ary tsy miala ao mihitsy alohan’ny fanirahana (...).Matetika izahay no milaza izany fa : nomena ho anareo io andro io mba hivavahana sy hialan-tsasatra. Io no Andro izay nataon’ny Tompo. Mifalia sy miravoravoa isika, amin’io andro io”[97].

Loharano ôfisialy ↗