Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1566
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra - mpiara-miasa amin’ny Eveka
“Amin’ny fotoam-pivavahana na fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia izy ireo no mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fiadidiana masina azy ireo : amin’io fotoana io, izay andraisan’izy ireo ny toeran’i Kristy sy anaovany antso …
→
-
1567
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra - mpiara-miasa amin’ny Eveka
“Noho ny maha-mpiara-miasa kinga saina amin’ny laharan’ny maha-Eveka ireo Pretra, izay izy ireo no mpanampy sy fitaovana, nantsoina hanompo ny Vahoakan’Andriamanitra, dia mitambatra, miaraka amin’ny Evekany izy ireo, ho fivondronana tokan’ny maha-pretra …
→
-
1568
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra - mpiara-miasa amin’ny Eveka
“Ny Pretra, noho ny fanamasinana azy ireo, izay nampiditra azy ireo ao amin’ny laharan’ny maha-pretra, dia samy mifandray am-po lalina amin’izy samy izy amin’ny alalan’ny firahalahiana ara-tsakramenta ; kanefa, amin’ny famindran-toerana azy …
→
-
1569
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”
“Amin’ny laharana zandriny eo amin’ny ambaratongam-pitondrana no misy ny Diakra izay "tsy ho an’ny maha-mpisorona tsy akory, fa ho an’ny fanompoana" no ametrahan-tanana aminy” [54] . Amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-diakra, …
→
-
1570
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”
Mandray anjara amin’ny fomba manokana ny Diakra, amin’ny fanirahana an’i Kristy sy amin’ny fahasoavany [56] . Ny sakramentan’ny Filaharana no mampisy marika azy ireo amin’ny fitomboka (“marika”) izay tsy misy afaka manafoana …
→
-
1571
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”
Nanomboka tamin’ny Kônsily faharoa tao Vatikana, ny Fiangonana latinina dia namerina indray ny maha-diakra amin’ny “maha-ambaratonga manokana sy maharitra azy eo amin’ny ambaratongam-pitondrana” [59] , fa ny Fiangonana Tatsinanana kosa dia nitahiry …
→
-
1572
IV. Ny fankalazana amin’ity sakramenta ity
Ny fankalazana amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra, noho izy manana ny lanjany lehibe ho an’ny fiainan’ny Fiangonana eo an-toerana, dia mila ny fahatongavan’ny mpino faran’izay betsaka …
→
-
1573
IV. Ny fankalazana amin’ity sakramenta ity
Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Filaharana, ho an’ireo ambaratonga telo, dia ny fametrahan-tanan’ny Eveka eo amin’ny lohan’ilay hamasinina, omban’ny vavaka fanamasinana manokana izay angatahina amin’Andriamanitra ny fandrotsahana ny Fanahy Masina …
→
-
1574
IV. Ny fankalazana amin’ity sakramenta ity
Toy ny ao amin’ny sakramenta rehetra, misy ny fombam-pivavahana fanampiny manodidina ny fankalazana. Na miovaova be noho ny faha-samihafa ny lovam-pampianarana litorzika aza ireo, dia manana zavatra iombonana hanehoana ny lafiny maro …
→
-
1575
V. Iza no mahazo manome ity sakramenta ity ?
I Kristy no nifidy ny apôstôly sy nanome azy ireo anjara amin’ny fanirahana azy sy amin’ny fahefany. Nony tafasandratra eo an-kavanan’ ny Ray Izy, dia tsy mandao ny andian’ondriny, fa miandry azy …
→
-
1576
V. Iza no mahazo manome ity sakramenta ity ?
Satria ny sakramentan’ny Filaharana no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-apôstôly, ka anjaran’ny Eveka amin’ny maha-dimbin’ ny apôstôly azy ireo, ny mampita ny “fanomezana ara-panahy” [66] , “ny voa mamoa avy amin’ny apôstôly” [67] . …
→
-
1577
VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
“Ny lehilahy ( vir ) vita batemy ihany no mahazo mandray ara-dalàna ny fanamasinana amin’ny filaharana masina” [69] . Nifidy lehilahy maro ( viri ) i Jesoa Tompo mba hamorona ny fiombonam-piadidian’ny …
→
-
1578
VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Tsy misy olona manana zo handray ny sakramentan’ny Filaharana. Satria, tsy misy afaka hibodo an’izany fiadidiana izany ho an’ny tenany ihany. Andriamanitra no miantso ho amin’izany [74] . Izay mino fa mahalala …
→
-
1579
VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Ny mpandraharaha voahosotra rehetra ao amin’ny Fiangonana latinina, afa-tsy ny Diakra maharitra, dia nofidìna ara-pomba mahazatra teo anivon’ireo olona mpino izay miaina ho mpitovo ary manana ny sitrapo hitandrina ny fitovoana “noho …
→
-
1580
VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Ao amin’ny Fiangonana tatsinanana, hatramin’ny taonjato maro mifandimby, dia misy fitsipi-pifehezana samy hafa mbola manan-kery : ny Eveka no hany notsongaina teo anivon’ny mpitovo, fa ny olona manambady kosa dia azo hamasinina …
→
-
1581
Ny marika tsy maty vonoina
Ity sakramenta ity dia mampitovy endrika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hampiasaina ho fitaovan’i Kristy ho an’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fanamasinana ho amin’ny filaharana masina no …
→
-
1582
Ny marika tsy maty vonoina
Tahaka ny amin’ny Batemy sy ny amin’ny Fankaherezana, izany fandraisana anjara amin’ny raharahan’i Kristy izany dia ankatoavina indray mandeha ihany. Ny sakramentan’ny Filaharana dia mampisy koa marika ara-panahy tsy maty vonoina ary …
→
-
1583
Ny marika tsy maty vonoina
Ny olona iray voahosotra ara-dalàna ho mpandraharaha masina dia azo esorina, mazava loatra, raha misy antony lehibe, amin’ny adidy aman’andraikitra sy amin’ny anjara raharaha mifandray amin’ny fanamasinana azy, na sakanana tsy hampiasa …
→
-
1584
Ny marika tsy maty vonoina
Satria fantatra fa i Kristy no miasa sy manatanteraka ny famonjena amin’ ny alalan’ny mpandraharaha voahosotra, noho izany tsy hahasakana an’i Kristy hiasa ny mpandraharaha voahosotra ratsy toetra [81] . Izao no …
→
-
1585
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina manokana amin’ity sakramenta ity dia ny fanahafana amin’i Kristy Mpisorona, Mpampianatra ary Mpiandry ondry, izay nanokanana an’ilay nohamasinina ho mpandraharaha voahosotra.
→