VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Laharana 1578 amin’ny Katesizy
Tsy misy olona manana zo handray ny sakramentan’ny Filaharana. Satria, tsy misy afaka hibodo an’izany fiadidiana izany ho an’ny tenany ihany. Andriamanitra no miantso ho amin’izany[74]. Izay mino fa mahalala ny famantaran’ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny andraiki-panompoana masina, dia tokony hanankina amim-panetren-tena ny faniriany amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana, izay manana andraikitra sy zo hiantso olona iray handray ny Filaharana. Toy ny fahasoavana rehetra, ity sakramenta ity dia tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny maha-fanomezana azy izay tsy miankina amin’ny mahamendri-balisoa.