Ny marika tsy maty vonoina

Laharana 1583 amin’ny Katesizy

Ny olona iray voahosotra ara-dalàna ho mpandraharaha masina dia azo esorina, mazava loatra, raha misy antony lehibe, amin’ny adidy aman’andraikitra sy amin’ny anjara raharaha mifandray amin’ny fanamasinana azy, na sakanana tsy hampiasa izany[79], nefa tsy afaka hanjary ho lahika indray izy araka ny hevi-teny hentitra[80], satria ny marika naraikitry ny fanamasinana azy dia natao ho mandrakizay ao aminy. Ny fiantsoana sy ny fanirahana noraisiny tamin’ny andro nanamasinana azy dia mampisy marika azy amin’ny fomba maharitra.

Loharano ôfisialy ↗