Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”
Laharana 1569 amin’ny Katesizy
“Amin’ny laharana zandriny eo amin’ny ambaratongam-pitondrana no misy ny Diakra izay "tsy ho an’ny maha-mpisorona tsy akory, fa ho an’ny fanompoana" no ametrahan-tanana aminy”[54]. Amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-diakra, ny Eveka irery no mametra-tanana, izay midika araka izany fa ny Diakra dia miankina manokana amin’ny Eveka eo amin’ny lahasan’ny “maha-mpanompo azy”[55].