Ny marika tsy maty vonoina

Laharana 1582 amin’ny Katesizy

Tahaka ny amin’ny Batemy sy ny amin’ny Fankaherezana, izany fandraisana anjara amin’ny raharahan’i Kristy izany dia ankatoavina indray mandeha ihany. Ny sakramentan’ny Filaharana dia mampisy koa marika ara-panahy tsy maty vonoina ary tsy azo averina intsony na omena amin’ny fotoana voafetra[78].

Loharano ôfisialy ↗