Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”
Laharana 1570 amin’ny Katesizy
Mandray anjara amin’ny fomba manokana ny Diakra, amin’ny fanirahana an’i Kristy sy amin’ny fahasoavany[56]. Ny sakramentan’ny Filaharana no mampisy marika azy ireo amin’ny fitomboka (“marika”) izay tsy misy afaka manafoana izany, sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy izay nanao ny Tenany ho “Diakra”, izany hoe mpanompon’ny rehetra[57]. Azo singanina manokana amin’izany ireto asan’ny Diakra ireto : manampy ny Eveka sy ny Pretra amin’ny fankalazana ny misterin’Andriamanitra, indrindra ny Eokaristia, mizara izany, manatrika ny fanambadiana sy mitsodrano izany, manao antso avo ny Evanjely sy mitory teny, mitarika ny fanompoam-pivavahana fandevenana ary mahafoy tena amin’ny asam-pitiava-namana isan-karazany[58].