Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”

Laharana 1571 amin’ny Katesizy

Nanomboka tamin’ny Kônsily faharoa tao Vatikana, ny Fiangonana latinina dia namerina indray ny maha-diakra amin’ny “maha-ambaratonga manokana sy maharitra azy eo amin’ny ambaratongam-pitondrana”[59], fa ny Fiangonana Tatsinanana kosa dia nitahiry azy lalandava. Ilay maha-diakra maharitra, izay azo omena ny lehilahy manambady, dia anisan’ny fampitomboan-danja be tokoa ho an’ny fanirahana ny Fiangonana. Satria, sahaza sy ilaina raha ireo lehilahy izay manatanteraka ao amin’ny Fiangonana ny andraiki-panompoana maha-diakra marina tokoa, na eo amin’ny fiainana litorzika sy pastôraly, na eo amin’ny tsanganasa sôsialy sy fitiava-namana, no “hankaherezina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nampitaina nanomboka hatramin’ny apôstôly sy hampiraisana bebe kokoa amin’ny ôtely, mba hanefany ny andraiki-panompoan’izy ireo amin’ny fomba mamokatra kokoa, amin’ny alalan’ny fahasoavana ara-tsakramentan’ny maha-diakra”[60].

Loharano ôfisialy ↗