Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1861 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Ny hoe fahotana mahafaty dia ny fahazoana manao tanteraka izay tiana atao araka ny fahafahana maha-olombelona, toy ny fahazoana mampiasa ny fitiavana ihany. Mitarika fanimbàna ny fitiava-namana sy fisakanana ny fahasoavana mahamasina, …
  2. 1862 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Manao fahotana madinika ny olona, rahefa tsy manatanteraka amin’ny zavatra madinika ny didy andidian’ny lalàna môraly, na rahefa tsy mankato ny lalàna môraly amin’ny zavatra lehibe saingy tsy natao tamim-pahalalana feno na …
  3. 1863 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Mampihena ny herin’ny fitiava-namana ny fahotana madinika ; midika ho firaiketam-pitia mikorontana amin’ny haren’ny zavaboary izy ; misakana ny fandrosoan’ny fanahy amin’ny fampiasana ireo hatsaram-panahy sy amin’ny fanaovana ny tsara ara-môraly izy …
  4. 1864 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika ”Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina” [40] (Mt 12,31). Tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra, nefa izay mandà …
  5. 1865 V. Ny fihanaky ny fahotana Miteraka fitarihana amin’ny fahotana ny fahotana ; miteraka fahazaran-dratsy izy amin’ny fiverimberenan’ny asa iray. Mahatonga fitongilanana amin’ny faharatsiam-panahy izay manamaizina ny kônsiansy izy, ary manimba ny fitsara marina momba ny tsara sy …
  6. 1866 V. Ny fihanaky ny fahotana Ireo haratsiam-panahy dia azo alahatra amin’ny hatsaram-panahy izay mifanohitra aminy, na koa ampifandraisina amin’ireo fahotana fototry ny hafa izay navahan’ny fahalalam-piainana kristianina azo tamim-pahazarana, amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Md Jean Cassien [42] …
  7. 1867 V. Ny fihanaky ny fahotana Mampahatsiahy koa ny lovam-pampianarana momba ny katesezy fa misy ireo “ fahotana izay miantsoantso valiny mankany an-danitra ”. Mitaraina amin’ ny lanitra : ny ran’i Abela [44] ; ny fahotan’ny mponina tao …
  8. 1868 V. Ny fihanaky ny fahotana Asan’ny isam-batan’olona ny fahotana. Ankoatra izany, manana andraikitra amin’ny fahotana ataon’ny hafa isika, raha mifarimbona amin’ izany : - amin’ny fandraisana anjara amin’izany mivantana sy an-tsitrapo ; - amin’ny fibaikoana azy, amin’ny …
  9. 1869 V. Ny fihanaky ny fahotana Araka izany, ny fahotana no mahatonga ny olona hiray tsikombakomba amin’ny ratsy, mampanjaka amin’izy samy izy ny fanirian-dratsy, ny herisetra ary ny tsy fahamarinana. Ny fahotana, eo amin’ny fiaraha-monina, no mahatonga ireo …
  10. 1870 V. Ny fihanaky ny fahotana “ Nohidian’Andriamanitra tao anatin’ny tsy fanekena ny olombelona rehetra, mba hamindrany fo avokoa izy rehetra ” (Rôm 11,32).
  11. 1871 V. Ny fihanaky ny fahotana Ny atao hoe fahotana dia : “ teny, asa na faniriana manohitra ny lalàna mandrakizay ” [50] ; fanalam-baraka an’Andriamanitra ; fitsanganan-kanohitra an’Andriamanitra amin’ny tsy fanekena, manohitra ny faneken’i Kristy.
  12. 1872 V. Ny fihanaky ny fahotana Asa manohitra ny saina ny fahotana. Mandratra ny toetra maha- olombelona izy, ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona.
  13. 1873 V. Ny fihanaky ny fahotana Ny fototra ipoiran’ny fahotana rehetra dia ao am-pon’ny olombelona. Arakaraka ny votoatin’ny anaovana azy no amerana indrindra ny karazany sy ny halehibeny.
  14. 1874 V. Ny fihanaky ny fahotana Izay mifidy amin’ny nahim-po zavatra iray, izany hoe amim-pahalalana izany sy amim-panekena izany, izay manohitra mafy tokoa ny lalànan’ Andriamanitra sy ny tanjona fiafaran’ny olombelona, dia manao fahotana mahafaty. Mandrava ny fitiavana …
  15. 1875 V. Ny fihanaky ny fahotana Ny fahotana madinika dia mampisy fikorontanam-panahy azo onerana amin’ny alalan’ny fitiavana izay avelany haharitra ao amintsika.
  16. 1876 V. Ny fihanaky ny fahotana Ny famerimberenana ny fahotana, na madinika aza, dia miteraka fahazaran-dratsy, izay anisan’ny misongadina amin’izany ireo fahotana fototry ny hafa.
  17. 1877 Ny fiombonamben’ny olombelona Ny fiantsoana ny olombelona rehetra dia ny hampiseho ny endrik’ Andriamanitra sy ny ho voaova amin’ny endriky ny Zanaka Lahitokan’ny Ray. Maneho ny endrik’olona manokana io fiantsoana io, satria ny tsirairay no …
  18. 1878 I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona Ny olombelona rehetra dia voantso ho amin’ny fiafarana iray ihany, dia Andriamanitra izany. Misy fifanahafana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy hajoron’izy ireo eo amin’ny samy ireo, …
  19. 1879 I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona. Tsy noforonina ho an’ny olombelona toy ny hoe zavatra nampiana ny fiainam-piaraha-monina, fa zavatra takìn’ny toetrany voa-Janahary. Ny fifampizaràna amin’ny hafa, ny fifanampiana amin’ny asa, ary ny …
  20. 1880 I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona Ny fiaraha-monina dia fitambaran’ny olona mifandray ao anatin’ny rafitra voarindra amin’ny alalan’ny fitsipika fototra mampiray, izay ambonin’ny olona tsirairay. Maharitra lalandava eo amin’ny fotoana ny fiaraha-monina, noho izy fivondronana sady hita maso …