I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Laharana 1878 amin’ny Katesizy
Ny olombelona rehetra dia voantso ho amin’ny fiafarana iray ihany, dia Andriamanitra izany. Misy fifanahafana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy hajoron’izy ireo eo amin’ny samy ireo, ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana[1]. Tsy azo sarahina amin’ny fitiavana ny namana ny fitiavana an’Andriamanitra.