IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Laharana 1864 amin’ny Katesizy
”Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina”[40] (Mt 12,31). Tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra, nefa izay mandà amim-panahy iniana tsy handray ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanenenana dia mitsipaka ny famelàna ny fahotany sy ny famonjena atolotry ny Fanahy Masina[41]. Mety hitondra amin’ny tsy fibebahana farany sy amin’ny fahaverezana mandrakizay ny fiziriziriana toy izany.