V. Ny fihanaky ny fahotana

Laharana 1869 amin’ny Katesizy

Araka izany, ny fahotana no mahatonga ny olona hiray tsikombakomba amin’ny ratsy, mampanjaka amin’izy samy izy ny fanirian-dratsy, ny herisetra ary ny tsy fahamarinana. Ny fahotana, eo amin’ny fiaraha-monina, no mahatonga ireo toe-javatra hita sy ireo zava-misy miorina, izay manohitra ny Hatsaram-panahin’Andriamanitra. Ireo “zava-mampaharitra (rafitry) ny fahotana” no fanehoana sy vokatry ny fahotan’ny isam-batan’ olona. Izy ireo no mitarika izay maratran’izy ireo hanao ratsy koa avy eo. Amin’ny hevitra ara-pifanahafahana, ireo “zava-mampaharitra ny fahotana” no mitambatra ho “fahotan’ny mpiara-belona”[49].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗