V. Ny fihanaky ny fahotana
Laharana 1868 amin’ny Katesizy
Asan’ny isam-batan’olona ny fahotana. Ankoatra izany, manana andraikitra amin’ny fahotana ataon’ny hafa isika, raha mifarimbona amin’ izany :
- amin’ny fandraisana anjara amin’izany mivantana sy an-tsitrapo ;
- amin’ny fibaikoana azy, amin’ny fanoroana hevitra azy, amin’ny fandokafana azy na amin’ny fankatoavana azy ;
- amin’ny tsy famborahana aminy na tsy fisakanana azy, raha toa voakasika amin’izany ny tena ;
- amin’ny fiarovana ireo izay manao ratsy.