I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Laharana 1880 amin’ny Katesizy
Ny fiaraha-monina dia fitambaran’ny olona mifandray ao anatin’ny rafitra voarindra amin’ny alalan’ny fitsipika fototra mampiray, izay ambonin’ny olona tsirairay. Maharitra lalandava eo amin’ny fotoana ny fiaraha-monina, noho izy fivondronana sady hita maso no ara-panahy : manangona ny vokatry ny lasa izy sy manomana ny hoavy. Amin’ny alalany ny olona tsirairay no anisan’ny “mpandova”, mandray “talenta” izay mampivelatra ny maha-izy ny tsirairay, ka tsy maintsy ampitomboina ny vokatr’izany[3]. Ara-drariny ny ananan’ny tsirairay adidy hahafoy tena ho an’ny fikambanana misy azy, sy hanaja an’ireo manam-pahefana miandraikitra ny fananana iombonana.