V. Ny fihanaky ny fahotana

Laharana 1867 amin’ny Katesizy

Mampahatsiahy koa ny lovam-pampianarana momba ny katesezy fa misy ireo “fahotana izay miantsoantso valiny mankany an-danitra”. Mitaraina amin’ ny lanitra : ny ran’i Abela[44] ; ny fahotan’ny mponina tao Sôdôma[45] ; ny hiakiakan’ny vahoaka voan’ny tsindry hazo lena tao Ejipta[46] ; ny fitarainan’ ny vahiny sy ny mananotena ary ny kamboty[47] ; ny tsy fahamarinana ampiharina amin’ny mpikarama[48].

Loharano ôfisialy ↗