Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 261 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Andriamanitra irery ihany no afaka hanome antsika ny fahalalana ny amin’izany amin’ny nanambaràny ny Tenany ho Ray, Zanaka sy …
  2. 262 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, no manambara fa Ray mandrakizay Andriamanitra, ary iray fombam-pisia-maha-izy amin’ ny Ray ny Zanaka, izany hoe : Andriamanitra tokana ihany Izy ao amin’ ny Ray sy miaraka …
  3. 263 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Ny fanirahana ny Fanahy Masina, izay nirahin’ny Ray amin’ny anaran’ ny Zanaka [100] , ary nalefan’ny Zanaka “ avy amin’ny Ray ” (Jo 15,26), no manambara fa Andriamanitra tokana ihany miaraka amin’izy …
  4. 264 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina “ Avy amin’ny Ray ny Fanahy Masina, amin’ny maha-foto-piandohana voalohany ny Ray, ary amin’ny alalan’ny fanomezana mandrakizay ataon’ny Ray ho an’ny Zanaka, dia avy amin’ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka Izy ” …
  5. 265 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Batemy “ amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ” (Mt 28,19), no voantso isika handray anjara amin’ny fiainan’ny Trinite Sambatra, eto an-tany, ao anatin’ny haizim-pinoana, …
  6. 266 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina “ Mifototra amin’izao ny finoana katôlika : mitsaoka an’Andriamanitra tokana ao amin’ny Trinite, ary mitsaoka ny Trinite ao amin’ Andriamanitra Tokana, tsy mampifangaro ireo Olona, tsy mampisaraka ny fisia-maha-izy : satria, miavaka …
  7. 267 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Tsy azo sarahina amin’ny maha-izy azy, ireo Olona-Andriamanitra ; tsy azo sarahina toy izany koa izy ireo amin’izay ataony. Kanefa amin’ny asa tokana ataon’Andriamanitra, ny tsirairay dia samy maneho ny maha-izy azy …
  8. 268 Paragrafy 3. Ilay Mahefa ny zavatra rehetra Amin’ny toetra rehetra maha-Andriamanitra, ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy ihany no voalaza ao amin’ny Semboly : ny miaiky izany dia mitera-bokatra lehibe ho amin’ny fiainantsika. Mino isika fa manenika an’izao tontolo …
  9. 269 “Izay tiany hatao, vitany avokoa” (Sal 115,3) Imbetsaka ny Soratra Masina no manambara ny herin’Andriamanitra manenika an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao . Fiantsoana Azy ny hoe “ilay Maherin’i Jakôba” (Jen 49,24; Iz 1,24 snm.), “ilay Tompon’ny tafika”, “ilay Matanjaka, ilay …
  10. 270 “Mamindra fo amin’ny rehetra Ianao, satria mahefa ny zavatra rehetra” (Fah 11,23) Ray Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra. Mifanazava ny maha-Ray Azy sy ny maha-Mahefa Azy. Araka izany, asehony ny maha-Ray Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny fomba fikarakarany ny zavatra ilaintsika [111] , …
  11. 271 “Mamindra fo amin’ny rehetra Ianao, satria mahefa ny zavatra rehetra” (Fah 11,23) Tsy misy jadona velively ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra : “Ao amin’Andriamanitra ny fahefana sy ny foto-pisiana, ny sitrapo sy ny saina, ny fahendrena sy ny fahamarinana dia tokana ihany sy …
  12. 272 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra Mety mandalo fitsapan-toetra amin’ny alalan’ny fahalalana azo tamim-pahazarana ny amin’ny ratsy sy ny fijaliana amam-pahoriana, ny finoana an’Andriamanitra ilay Ray Mahefa ny zavatra rehetra. Indraindray Andriamanitra toa ohatran’ny tsy eo sy tsy …
  13. 273 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra Ny finoana irery no ahafahana mifikitra amin’ny lalana mifono misterin’ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra. Io finoana io no mirehareha amin’ny fahalemeny mba hanintona ao aminy ny herin’i Kristy [113] . Amin’io …
  14. 274 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra “Koa tsy misy ny mety indrindra hanamafy orina ny finoantsika sy ny fanantenantsika, afa-tsy ny fiekena lalina voasokitra ao amin’ny fanahintsika fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao. Satria izay rehetra hatolotry [ny …
  15. 275 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra Miaraka amin’i Jôba, ilay olomarina, no iekentsika hoe : “ Fantatro fa Mahefa ny zavatra rehetra Ianao : vitanao ny manatanteraka izay heverinao ” (Jôba 42,2).
  16. 276 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra Matoky ny porofo velona hita ao amin’ny Soratra Masina ny Fiangonana, ka manandratra matetika ny vavaka ataony “ amin’ Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ” ( “ommipotens sempiterne Deus…”), amin’ny …
  17. 277 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra Maneho ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy Andriamanitra amin’ ny fampibebahana antsika amin’ny fahotantsika sy amin’ny famerenana antsika ho ao amin’ny fitiavany amin’ny alalan’ny fahasoavana : “Andriamanitra ô, ny maharitra sy mamindra …
  18. 278 Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra Raha tsy mino fa Mahefa ny zavatra rehetra ny fitiavan’Andriamanitra, atao ahoana no fino fa ny Ray no afaka mampisy antsika, ny Zanaka no manavotra antsika, ny Fanahy Masina no manamasina antsika …
  19. 279 Paragrafy 4. Ny Mpahary “Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Jen 1,1). Ireo teny manetriketrika ireo no fiantombohan’ny Soratra Masina. Mamerina an’ireo teny ireo ny Sembolin’ny finoana amin’ny fiekena an’Andriamanitra Ray Mahefa ny …
  20. 280 Paragrafy 4. Ny Mpahary Ny fahariana no fototry “ny fandaharana rehetra momba ny famonjen’ Andriamanitra”, “ny fiandohan’ny tantaram-pamonjena” [119] , izay ao amin’i Kristy no fara tampon’izany. Raha ampifamadihana ny fomba filaza azy, dia hoe : …