“Mamindra fo amin’ny rehetra Ianao, satria mahefa ny zavatra rehetra” (Fah 11,23)
Laharana 270 amin’ny Katesizy
Ray Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra. Mifanazava ny maha-Ray Azy sy ny maha-Mahefa Azy. Araka izany, asehony ny maha-Ray Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny fomba fikarakarany ny zavatra ilaintsika[111], amin’ny fananganany antsika ho zanany (“Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo Mahefa ny zavatra rehetra” 2 Kôr 6,18), ary farany, amin’ny Famindram-pony tsy misy fetra, satria mampiseho ny fahefany fara tampony Izy amin’ny famelana an-kalalahana ny fahotana.