“Mamindra fo amin’ny rehetra Ianao, satria mahefa ny zavatra rehetra” (Fah 11,23)
Laharana 271 amin’ny Katesizy
Tsy misy jadona velively ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra : “Ao amin’Andriamanitra ny fahefana sy ny foto-pisiana, ny sitrapo sy ny saina, ny fahendrena sy ny fahamarinana dia tokana ihany sy zavatra mitovy, hany ka tsy mety hisy zavatra amin’ny fahefan’Andriamanitra ka tsy ho tafiditra ao amin’ny sitrapo mahitsy an’Andriamanitra na ao amin’ny sainy hendry”[112].