Paragrafy 3. Ilay Mahefa ny zavatra rehetra
Laharana 268 amin’ny Katesizy
Amin’ny toetra rehetra maha-Andriamanitra, ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy ihany no voalaza ao amin’ny Semboly : ny miaiky izany dia mitera-bokatra lehibe ho amin’ny fiainantsika. Mino isika fa manenika an’izao tontolo rehetra izao izany, satria Andriamanitra izay nahary ny zavatra rehetra[105], dia mandidy sy manapaka ny zavatra rehetra sy mahavita ny zavatra rehetra ; heni-pitiavana izany, satria Raintsika Andriamanitra[106] ; mifono mistery izany, satria ny finoana irery ihany no ahafahana manavaka sy mandanjalanja izany rahefa “ao amin’ny fahalemena no isehon’ny heriny tanteraka” (2 Kôr 12,9)[107].